<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>87</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Nitomany ny Mpamonjy
 Fa tsy nety ho tra-bonjy
 Israely olony.

[V2]
 Izy dia nanambara
 Taminy ny teny tsara
 Feno fitiavana.

[V3]
 Ka ny jamba, kilemaina
 Moana sy very saina,
 Dia nositraniny.

[V4]
 He ! ny soa efa vita
 Nefa nody tsy nahita
 Ny ankamaroany.

[V5]
 Ary lotika ny fony,
 Koa halany 'lay ony
 Feno rano velona.

[V6]
 Ry Mpamonjiko malala !
 Aoka aho hahalala
 Ny fitomanianao.

[V7]
 Ary hahalala koa
 Fa ny soa mahavoa
 Raha tsy ho raisina.</lyrics>
<title>Nitomany ny Mpamonjy FFPM87</title>
<author>G. Nanini</author>
</song>